- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversBrickaville : Nofirainy antsy ny tendam-badiny fa tsy nahamasa-bary antoandro

Brickaville : Nofirainy antsy ny tendam-badiny fa tsy nahamasa-bary antoandro

Samy gaga izay rehetra nanatrika ny fitsarana ady heloka be vava tsotra ao amin’ny fitsarana ambony Toamasina, ny alakamisy teo, fa niaiky tanteraka fa namono am-badiny tamin’ny famirana antsy be ny tendany sy ny tanany Ingahy Rakotonandrasana Gildas, na i Gilles. Ny antony, raha ny fanazavany teo anivon’ny fitsarana ady heloka, dia noho ity vadiny, Rtoa Razanabololona Céline, ity tsy nahamasa-bary antoandro nefa izy efa noana avy niasa tany an-tsaha.

Raha hiverenana ny tantara dia ny 14 janoary 2019 no nitrangan’ilay famonoana an-dRtoa Céline tany anaty ala tsy lavitra ny tranon’izy ireo noho ity resaka vary antoandro tsy mbola masaka fa mbola teo am-patana ity. Nilaza ny hanoanany Ingahy Gilles tamin’izay ka noloharam-badiny avy hatrany ilay vary tsy mbola masaka nadrahoany. Teo anefa vao mainka niakatra ny hatezeran’Ingahy Gilles noho izy notoloram-badiny vary mbola manta mohaka, ka izao nofirainy antsy izao ilay ramatoa. Nisy nahare ilay ramatoa niantso vonjy amin’ny tsy hamonoam-badiny azy. Teo dia nandeha avy hatrany ny fitoriana raha vao hita faty tao anaty ala ilay ramatoa, ka ny 24 janoary 2019 no niditra am-ponja vonjimaika Ingahy Gilles tamin’izao raharaha vono olona tamin’ny famirana antsy tenda sy tanana izao.

Raha namoaka ny didiny ny filohan’ny fitsarana ady heloka be vava nitarika ny fitsarana tamin’izany, dia nanome sazy am-ponja asa an-terivozona 20 taona an’Ingahy Rakotonandrasana Gildas. Nisy ny fanenan-tsazy nataon’ilay mpitsara, noho Ingahy Gilles tsy nisalasala nilaza ny marina sy izy mbola tsy voaheloka ihany koa.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici