vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversBrickaville : Saika nisy namaky ny RNM sy TVM

Brickaville : Saika nisy namaky ny RNM sy TVM

Tranga dia tsy faheno firy no niseho tao Brickaville ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisy nikasa hamaky mantsy ny trano misy ny Radiom-pirenena Malagasy sy ny Televiziona tany an-toerana, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Tsy tontosa anefa ny asa ratsin’ireo olon-dratsy, rehefa nojerena akaiky ny zava-nisy, satria tsy nisy nahabangana ny entana tao anatin’ny trano. Raha ny fampitam-baovao azo, dia ny fitaratra vaky tamin’ilay trano no nanaitra avy hatrany ny olona, ka nandeha nampilazàna avy hatrany ny tompon’andraikitra. Nidina avy hatrany teny an-toerana araka izany ireto zandary avy ao amin’ny borigadin’i Brickaville, nijery ifotony ny zava-nisy. Tamin’izay fotoana izay no fantatra fa fikasàna ihany ny an’ireo mpandroba satria na dia voavakin’izy ireo aza ny fitaratra dia tsy afak’ireo olon-dratsy ny karakara vy fiarovana tamin’ilay trano. Hany ka niala maina ireo mpanao ratsy. Na izany na tsy izany aza anefa, dia efa noraisina ny fepetra manokana hiarovana ity trano misy ny radio sy televizionam-pirenena ity. Efa tsy mifidy asiana intsony mihitsy ve ireo olon-dratsy sa mety hisy resaka ambadika ity tranga niseho tao Brickaville ity ? Fantatra fa efa mandeha ny famotorana sy ny fanadihadiana mahakasika izay tranga izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici