- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversBrickaville : Voafitaky ny zanaky ny dadatoany, nilaza ho voaolana ilay ankizivavy...

Brickaville : Voafitaky ny zanaky ny dadatoany, nilaza ho voaolana ilay ankizivavy taty aoriana

“Tena fitiavana sy nifanekena no niarahanay, fa tsy misy fanolanana izany, izy aza mbola nangataka vola tamiko dia nomeko 2.000 ariary”, hoy ingahy Tengalahy voarohirohy tamin’ny fanolanana ny anabaviny ; izay zanaky ny dadatoany nipetraka tao amin’izy ireo tao Tanambao Marovohitra Ambinaninony Brickaville. Ny 27 oktobra 2018 no nitranga ilay hoe fanolanana, ka ny 04 Desambra 2018 no naiditra am-ponja ingahy Tengalahy vokatr’ izany. Nofitahany aho hoy Tengalahy, fa efa feno taona izy, izy rahateo lava noho izaho hoy Tengalahy ka nino izany ny tenako, hay izy mbola 14 taona tamin’io fotoana niarahanay io. Efa ela izahay no niara-nipetraka, fa tsy fantatro hoe zanaky ny dadatoako izy, efa niaraka izahay ka voalaza fa nanolana azy aho tamin’ny fahatrarana anay vao fantatro izany rehetra izany, hoy hatrany Tengalahy teo anivon’ny fitsarana. Ny tatitry ny mpitsabo ihany koa nilaza, fa tsy nisy ny herisetra tamin’ny fiarahan’izy roa, izay efa ela no tsy hita intsony ny maha-virijiny ilay zazavavy tamin’ny fotoana nanaovana ny fitiliana. Taorian’ny fivoahan’ny didin’ny fitsarana ny ady heloka be vavan ‘ ny fitsarana ambony, dia voasazy 03 taona am-ponja ingahy Tengalahy noho io fiarahany tamin-drazazavavy tsy ampy taona io, izay nisy fanenan-tsazy nomen’ny fitsarana azy noho izy voafitak’ ilay zazavavy milaza ho voaolana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici