Raha naiditra am-ponja ireo olona fito izay voalaza fa tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao Briville Tsaratanana ka nahafatesana renim-pianakaviana iray sy naharatrana ny tovolahy zanak’io ramatoa io, dia fantatra fa namoy ny ainy koa ilay tovolahy io. Notsaboina tany amin’ny hopitaly izy io, ary izao tsy tana izao ny ainy. Izy izay voatifitra teo amin’ny kibony nandritra ny fanafihana. Ilay reniny kosa nalain’ireo jiolahy an-keriny ary notifirin’ireo olon-dratsy tany am-pitsoahana tany. Nisy ny hetsika nataon’ny mpitandro filaminana ka nahasamborana ireo olona fito ireo. Misy amin’ireo ny olona eo an-tanana, mpivaro-kena ihany. Anisan’ny nivohitra tamin’ny resaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ny kaomandin’ny vondrotobim-paritra Alaotra Mangoro, fa mpiray tendro amin’ny Del Kely ihany ireo. Ity farany izay efa maty volana maromaro lasa izay, rehefa voasambotry ny mpitandro filaminana. Anisan’ny nampikolay ny olona tany amin’ny faritra Avaratra Andrefana izy sy ny tariny. Maro koa ireo efa voasambotra ny namany, izay voalaza mihitsy fa rava ny tambajotran’ny Del Kely. Izao anefa nisy ity fanafihana mahery vaika tany Brieville nahafatesana olona roa ity. Nisy vokany aloha ny hetsika tamin’ny nahatratra ireto olona fito ireto. Na izany aza, mampanahy ny raharaha satria mampiseho izao fa tsy mbola maty voalavo an-kibo ny jiolahy. Misy hatrany ireo, ary mirongo fiadiana mahery vaika. Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.
Yv Sam