mercredi, avril 23, 2025
AccueilFaits-DiversBrieville - Tsaratanàna : Votsotra ireo zaza telo nalain'ny jiolahy an-keriny

Brieville – Tsaratanàna : Votsotra ireo zaza telo nalain’ny jiolahy an-keriny

Mafy ka tena mafy ny zavatra niainan’ireo zaza telo mianadahy mpianatra nalain’ny jiolahy an-keriny, efa ho iray volana sy herinandro teo am-pelatanan’ny malaso, tsy nahita fahasambarana tamin’ny fianarana natao sy ny havana ary ny ray aman-dreny niteraka. Raha hotantaraina tokoa ny tena zava-nitranga dia ankizy telo mianadahy, avy amin’ny fianakaviana iray, mipetraka any Antanimbaritsara, izay mianatra ao an-tampon-tanànan’ny kaominina Brieville, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna no nalain’ny jiolahy mitam-piadiana an-keriny ny andron’ny faha-09 janoary taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny folo ora alina tany ho any. Ny voalohan’ny volana febroary taona 2025 teo no votsotra i Hervine, ilay vehivavy 16 taona, ka teo anelanelan’i Marotsopoy sy Bepady, any amin’ny disitrikan’Anjozorobe, ho takalon’ny vary fotsy sy PPN notakin’ireo malaso, tamin’ny fianakaviany. Ny tolakandron’ny alarobia faha-12 febroary taona 2025 kosa dia navotsotr’ireo malaso ny zaza roa ambiny, fantatra amin’ny anarana hoe Hederie 19 taona, ary Hery 13 taona. Marihina moa fa tsy naheno ny mety nisian’ny fifanarahana teo amin’ny malaso sy ny fianakavian’ireo nalaina an-keriny ny mpitandro ny filaminana, fa izy roa efa eo am-pelatanan’ireo havany, vao nampahafantarina ny tandroka aron’ny vozona. Mitohy kosa ny fikarohana sy famotorana, ataon’ny zandary any an-toerana hatreto.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici