Lasa resa-be ao Sainte-Marie ity zava-nanjo ity ramatoa tompona trano fandraisam-bahiny, “Bungalow”ity, satria izy voasolokin’ity teratany frantsay avy ao La Réunion ity indray no voasazin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina handoa vola be mitentina 5.720.000 ariary ho onitra samy hafa, satria ilay teratany frantsay indray no nitory fa nisoliky sy te-haka vola tsy ara-dalana taminy ilay tompona trano fandraisam-bahiny ity.
Raha ny antontan-taratasy samy hafa anefa dia mifanohitra tamin’izany ny zava-nisy momba izao raharaha izao. Nanomboka tany Etang-Salé ny raharaha satria nanana trano fandraisam-bahiny tany an-toerana ity teratany frantsay ity, nefa nisy ny olana hatramin’ny taona 2014 ka ny taona 2018 dia nivoaka ny didim-pitsarana tany Etang-Salé fa resy ity teratany frantsay ity. Nanomboka teo no tonga niala sasatra sy mihevitra ny honina ao Sainte-Marie ny tenany, ka teo no nanomboka ny tantaran’izy ity ramatoa tompona trano fandraisam-bahiny tao Sainte-Marie ity. 21 andro ity teratany frantsay ity tao amin’ilay Bungalow, ka ny volana septambra 2018 dia nivoaka ny faktiorany izay nahatratra 3.600.000 ariary izay nitambarana fotoam-pivahinianany sy ny sakafo marainany ary ny sakafo atoandrony.
Nandà ny handoa ny vola anefa ilay teratany frantsay fa hoe misoloky azy ilay ramatoa tompona Bungalow, ka ny 24 septambra dia nitory azy teny amin’ny prefe tao Sainte-Marie ilay ramatoa. Ny 27 septambra 2018 dia namoaka fehin-kevitra ny prefen’i Sainte-Marie ary isany nanao Sonia ity fehin-kevitra ity noho tsy fandoavany ilay volan’ny tompona trano fandraisam-bahiny ilay teratany frantsay. Tsy nalohany tamin’ny fotoana ara-dalana nifanarahana tamin’izany, ka voatery nandeha vadintany nitaky izany ilay ramatoa ny 17 oktobra 2018. Efa nanao tatitra larahana 274/2018/PREF/ momba ity raharaha ity ny prefen’i Sainte-Marie, mba handraisan’ny minjisiteran’ny atitany ny 03 desambra 2018.
Teo anefa no tezitra ilay teratany frantsay ka izy indray no nitory an’ilay ramatoa teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina fa hoe misoloky azy, ka nivoaka ny didy laharana 1964-CO ny 18 jona 2019, izay manameloka ilay ramatoa manambola amin’ity teratany frantsay ity fa mandoa onitra 720.000 ariary sy mandoa “Dommage” sy “interets” mitentina 5.000.000 ariary. Tsy faly tamin’ity didim-pitsarana ity ilay ramatoa ka nanao fanoherana ny didy izay mbola andrasana izay mety ho tohiny.
Malala Didier