- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-Divers« Business forum regionaux » : Nisongadina ny faritra Analanjirofo

« Business forum regionaux » : Nisongadina ny faritra Analanjirofo

Tsy niandry ela akory ! Taorian’ny antso nataon’ny Governoran’ny faritra, ny Dr Randrimanantena Marcellin, ho an’ireo tompon’orinasa, hampiasa ny volany any Analanjirofo dia nivaly izany. Resy lahatra ny vondron’orinasa iray, ny STOI, fa hampiasa ny volany any an-toerana eo amin’ny sehatry ny fambolena, toy ny vary sy ny katsaka. Voarakitra ao anatiny fifanaraham-piara-miasa ny fanomezana tosika sy fiofanana ho an’ireo tantsaha sy ny fanomezana masom-boly ho azy ireo fa indrindra ny fandraisana sy fividianana ireo vokatra aorian’izay. « Tombony lehibe ho an’ireo tantsaha  izao izay miteraka fanatsarana ny faripiainan’izy ireo no manamaivana ihany koa ankilany ny fasahiranana momba ny fampitomboana ny vokatra »

Nandritry ny « Business forum regionaux » izay nontanterahana tany Toamasina no nahafahan’ny faritra nahita ity fifanaraham-piara-miasa ity. Hetsika izay notanterahana ny herinandro lasa teo, ary efa andiany faharoa sahady. Nandraisan’ireo faritra telo, mandrafitra ny faritan’i Toamasina anjara : Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Analanjirofo. Ho an’ity farany dia ny Goverinoran’ny faritra no nanasongadina ny faritra nisy azy. Manankarena tokoa ny faritra, hoy ny Goverinora, raha tsy hiteny afa-ts’ireo voly mampalaza iny faritra iny, ny harena an-kibon’ny tany, ny resaka jono ary ny fizahan-tany. « Maro ireo toerana azo trandrahana amin’izay sehatra izay aty na an-tanety izany na an-dranomasina. Torak’ izany koa ireo hetsika ara-kolotsaina, ka nanaovana antso sy fitaomana ireo tia hampiasa ny volany » hoy hatrany izy. Marihana fa ny hanamorana ny fifandraisana amin’ireo mpampiasa vola moa no tanjon’ity hetsika ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici