- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversBy pass : Kamiao nitondra simenitra, nivadika fa vaky « pneu »

By pass : Kamiao nitondra simenitra, nivadika fa vaky « pneu »

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy By-pass, omaly hariva tamin’ny 3 ora latsaka kely. Kamiao iray nitondra simenitra no nivadibadika ka nifatratra teny amin’ny “dalle”. Voalaza fa noho ny fahavakisan’ny kodiarana teo aloha no nitarika ny loza. Vokany : voatsindrin’ireo gonin-tsimenitra ilay mpamily sy ny lehilahy iray niaraka taminy tao anatin’ilay kamiao. Naratra mafy izy ireo vokatr’izany. Etsy andaniny, nisy ihany koa ireo nanamarika fa ny vesatr’ireo gonin-tsimenitra nentin’ity fiara ity no tena nahatonga ilay kodiarany ho vaky. Ireo olona nanatri-maso ny loza no nifarimbona nanala ireo gonin-tsimenitra nanindry azy roa lahy ary nitondra an’ireto farany teny amin’ny hopitaly.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici