- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversBy-pass : Manampahefana nandona olona, nitsoaka avy teo

By-pass : Manampahefana nandona olona, nitsoaka avy teo

Omaly hariva tokony ho tamin’ny enina ora teo, no nisehoan’ilay lozam-pifamoivoizana. Nifaoka tsenan’olona ny fiara BMW izay nisy sainam-pirenena nipetraka eo anoloany (cocarde). Olona roa no naratra mafy vokatry ny fifandonana. Tsy tafajanona teo aza ilay fiara fa mbola nifatratra tany amin’ny fiara tsy mataho-dàlana iray ihany koa. Rehefa izany dia nitsoaka ireo olona efatra tao anatiny izay tsy fantatra hoe mamo ve sa tsia. Nisy nahita ny tavan’ny sasany tamin’ireo nitsoaka ary ireo no nilaza fa manampahefana ny sasany amin’izy ireo. Efa nanomboka maizina ny andro omaly tamin’io fotoana io ary vetivety foana dia tsy hita izay nanjavonan’ireo olona tao anatin’izany. Ny olona teo amin’ny manodidina no nifanome tànana tamin’ny famonjena ireo naratra. Nitaraina ny olona tamin’ny zava-nitranga, satria efa tena tery ny làlana eo Ankadindrantombo kanefa mbola sahin’ny mpamily ihany ny nandeha mafy. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nijery ny zava-nitranga ary nanome toky ny hikarohana faran’izay haingana ny tompon’andraikitra. Tsy tokony hananosarotra rahateo izany, satria ny laharan’ny fiara izay navelan’ireo olona teo dia azo hanamarinana izany eo anivon’ny sampan-draharaha miandraikitra izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici