- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversBy pass : Mpitaingina moto maty nohitsahin’ny kamiao

By pass : Mpitaingina moto maty nohitsahin’ny kamiao

Omaly tolakandro no niseho ny lozam-pifamoivoizana. Moto scooter iray izay nifanehatra tamin’ny kamiao tetsy amin’ny tetezan’Ivanja, mifanandrify amin’ny By-pass. Nitera-doza tanteraka izany satria maty tsy tsa-drano ny vehivavy izay nentina tamin’ilay moto. Ilay mpitondra kosa indray tafapitika ary dia afa-doza na dia teo aza ny faharatràna nanjo azy. Potika hatramin’ny lohan’ilay vehivavy izay voahitsaky ny kamiao taorian’ny fifandonana. Raha ny fanazavan’ny olona dia nikasa ny nisongona fiara ilay moto no nifanena tampoka tamin’ilay fiarabe. Tsy nisy aroloha ilay olona ary mainka koa niteraka ny fahafatesany avy hatrany izany. Tapaka tanteraka ny làlana teny amin’ny By-pass izay mifanandrify amin’ilay toerana satria rehefa misy ny lozam-pifamoivoizana izay niteraka fahafatesana na ratra dia tsy azo akisaka aloha ny fiara mandra-pijerin’ny mpanao fanadihadiana ny zava-nitranga izay hanaovany tatitra sy ny pitsony ilaina amin’ny raharaham-pitsaràna manaraka. Isan’ny miteraka lozam-pifamoivoizana betsaka eto an-drenivohira ny moto na dia manampy betsaka aza izy amin’ny fivezivezena. Eo ihany ny tsy fitandremana sy ny fisetrasetrana indraindray fa misy koa ny mpamily fiara mihitsy no mankahala ny moto ka manao ny tsy mety. Dikan’izay, toe-tsaina hatrany no isan’ny tena mitarika ny lozam-pifamoivoizana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici