Nitrangana lozam-piarakodia mahatsiravina indray teny amin’ny lalan’ny By-pass omaly hariva tokony manodidina ny tamin’ny 07 ora. Fiara Sprinter iray nitondra fianakaviana avy nandevina no nandona kamiao avy ato aoriana. Nahatsiravina ny vokatr’ity loza ity satria dia olona fito be izao no maty tao amin’ilay Sprinter, izay potika tanteraka. Ny nanatrimaso kosa no nilaza fa nitsoaka avy hatrany ny mpanampy mpamily ilay fiara Sprinter raha vao nitranga ny loza. Ilay mpamily kosa dia fantatra fa mamo.
T.M.