- Publicité SW45 -
lundi, mars 17, 2025
AccueilFaits-DiversBypass : Mpisoloky momba ny Starlink voasambotra

Bypass : Mpisoloky momba ny Starlink voasambotra

Hain’izy ireo tsianjery ny mombamomba ireo fitaovana hahazoana aterineto amin’ity tambajotra isan’ny mafy indrindra maneran-tany ity. Mandalo amin’ny Facebook hatrany ny fomba fisolokiana. Mivarotra ireo kojakoja hahazoana aterineto avy amin’ny alàlan’ny satelita. Misy tokoa ny roboka ao anatin’izany. Ny fitaovana dia mety manana iray izy ireo ary aorian’izay dia tsy misy intsony. Ireo mpividy any amin’ny faritra lavitra an’Analamanga no tena mora lasibatra. Toa ity rangahy izay mipetraka any Antsiranana mba nanafatra am-polony satria mbola hivarotra avy eo ary haka tombony. Nividy tamin’ireo mpisoloky izy noho ny tsy fahafantarana. Tonga tokoa ny singany iray izay nafarana. Vita izay ary rehefa nahazo fitokisana izy nanafatra maromaro amin’izay. Teo dia narirarira ary nipika hatramin’ny findain’ny mpisoloky rehefa nantsoina. Voatery tsy maintsy nampiasàna tetika ary nofandrihana teto Antananarivo ireo mpanao ratsy. Sarona tokoa tetsy amin’ny Bypass ny zoma teo ary tazomina any amin’ny polisy nanokafana fanadihadiana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici