- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBypass : Tovolahy voadonan’ny kamiao, maty tsy tra-drano

Bypass : Tovolahy voadonan’ny kamiao, maty tsy tra-drano

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Dorodosy, amin’iny lalan’i By Pass iny omaly hariva. Lehilahy iray 30 taona no maty tsy tra-drano rehefa avy nodomin’ny fiarabe iray teny an-toerana, tokony ho tamin’ny dimy ora teo ho eo. Araka ny fampitam-baovao azo dia teo am-piampitàna arabe ity tovolahy ity no nofaohin’ilay fiarabe, izay nandeha tamin’iny lalan’i By pass iny. Tsy vitan’ny voafaoka anefa fa mbola voahitsaka ihany koa. Nandriaka ny rà teny an-toerana. Tsy tana noho ny hamafin’ny dona nahazo azy ilay niharam-boina. Tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io anefa, dia voalaza fa tsy mba nijanona akory ilay fiarabe nahavano-doza fa vao maika aza nanamafy ny hafainganam-pandehany, nitsoaka lavitra ny toerana nisian’ny loza. Efa tonga teny an-toerana tamin’io fotoana io ihany moa ireo pôlisy miasa teny an-toerana, nijery ifotony ny zava-nisy. Nampandrenesina haingana ihany koa ireo pôlisy niasa tamin’iny lalana iny ary tsy lasa lavitra akory dia tratra ilay fiara nandona ilay olona. Teo no eo ihany dia nosamborina ilay mpamily nahavanon-doza ary nentina notazomina any amin’ny biraon’ny pôlisin’ny kaomisaria Atsimondrano, hanaovana famotorana. Ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy kosa, taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra dia nentina nihazo ny tranom-paty.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici