Ny alin’ny talata teo no nitranga ny lozam-pifamoivoizana rehefa nifandona tamin’ny kamiao lehibe iray ny scooter. Vehivavy nandeha irery no nitaingina ny moto. Feno rà ny làlana ary teo ihany dia hita fa tsy ho avotra intsony ilay vehivavy. Na izany aza natao ny ala nenina nitondràna azy tany amin’ny hopitaly. Tsy nisy vokany intsony izany. Mody eny Anosipatrana izy raha araka ny fantatra ary mety ho nizotra ho any no niharan’ny lozam-pifamoivoizana tetsy Amoronankona. Nanokafan’ny mpitandro ny filaminana fanadihadiana avy hatrany ny mpamily ilay fiara lehibe noho ny fisian’ny fahafatesan’olona. Mampanahy hatrany ny fitaingenana kodiaran-droa eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ny tsikaritra raha ny zava-nisy hatrizay dia ny vehivavy no isan’ny tena mitandrina sy tsy iharan’izany rehefa mitondra moto. Matetika dia izy ireo entina aoriana no tra-doza rehefa mianjera ny moto izay tsy entiny. Ity tetsy amin’ny By-pass ity kosa anefa dia hafa tanteraka ny tranga ary nahafaty tsy tsa-drano ilay vehivavy mpanamory kodiaran-droa.
D.R




