Mbola mitohy ihany ny fanafihana taxibrousee amin’ny lalam-pirenena faha-7 (RN7), na dia eo aza ny fepetra noraisin’ny Fanjakana miaraka amin’ireo kaoperativam-pitaterana mba hisorohana izany. Taxi-brousse iray avy aty Antananarivo ho any Atsimo indray no voalaza fa voatifika omaly vao maraina tokony ho tamin’ny 4 ora, tao Camp Robin, distrikan’Ambohimahasoa. Araka ny vaovao avy amin’ny zandarimaria any an-toerana, izay manao ny fanadihadiana momba ity raharaha ity dia olona telo no naratra, ary tsy nisy nilaza ho very vola kosa ireo mpandeha niharan’izany. Voalaza fa nandamoka ilay fanafihana noho ny firotsahan’ireo zandary mpanaraka « caravane » an-tsehatra. Nisy ny fifampitifirana tamin’ireo jiolahy sy ireo zandary ka vaky nadositra ireto farany, izay tsy fantatra mazava ny isany. Nandritra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary anefa dia fantatra fa nisy naratra ireo jiolahy ka nandeha ra nandritra ny fandosirany. Rehefa narahina io ra io dia tonga tamina tanàna iray tsy dia lavitra loatra. Araka ny vaovao avy amin’ny zandarimaria hatrany dia olona roa no fantatra fa nosamborina hatramin’ny omaly.
Nivadika ny fiara.Araka ny fitantaran’ny mpamily ilay fiara anefa dia tsy latsaky ny valo ireo mpanafika izay nametraka sakana teo amin’ny lalana. Nambrany fa nitranga izao fanafihana izao raha tafasaraka tamin’ny « caravane » ny fiara nentiny sy ny iray hafa raha vao niala teo Ivato-Ambositra izyireo. Toerana izay voalaza fa nitazonan’ny zandary ireo fiara rehetra nandritra ny adiny roa teo ho eo. Tafasaraka tamin’ny « caravane » izy ireo fa nisy kamiao naneligelina teny an-dalana. Nilaza ity mpamily ity fa vao lavitra dia efa tazany ilay sakana. Niezaka niala izany izy ka nitady lalana any amin’ny sisiny no lasa tany anaty lavaka ilay fiara ka nivadika ambony ambany. « Nipoitra tampoka avy teo ireo mpanafika ka jiolahy iray no tonga dia namonjy ny fiara nivadika. Fito kosa namonjy ilay fiara tao aorianako, izay tsy afaka nandeha intsony », hoy izy nanohy. Nilaza ity saofera ity fa nitondra antsy lava sy famaky ireo jiolahy hitany. Avy hatrany dia nitaky vola tany aminy io jiolahy io, izay sady nandrahona hamono raha tsy manome izany izy. Ilay Ramatoa teo ankilany kosa, izay nambarany fa nitondra 5 tapitrisa ariary, dia novelesin’ilay jiolahy tamin’ny famaky ny lohany, sady norobaina ny volany. Vehivavy iray hafa tao aorianan’ny mpamily ihany koa no nambarany fa naratra novelesina tamin’ny famaky. Tonga tampoka anefa ireo fiara tao aoriana, izay nitondra zandary avy eny Betongolo, hoy ihany ity mpamily ity, ka vaky nadositra ireo jiolahy, sady nitifitra. Teo no raikitra ny fifampitifirana, izay naharitra minitra maromaro. Tsy fantatra marina, arakaizany, na ohatrinona na ohatrinona marina ny vola very tamin’ity fanafihana ity. Manome toky kosa anefa ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa mitohy ny famotorana.
T.M.