- Publicité SW45 -
lundi, mai 13, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Cannibale » Tanjombato : Roalahy voasambotra fa namono vazaha

« Cannibale » Tanjombato : Roalahy voasambotra fa namono vazaha

Ny tapaky ny volana febroary lasa teo, terantany vahiny iray no niharan’ny fanendahana teny amin’iny faritry Tanjombato iny. Tsy vitan’ny fanendahana fotsiny anefa fa mbola niharan’ny vono ihany koa ity farany, rehefa tsy nanaiky mora fa nanohitra ireto olon-dratsy. Voatrobaka antsy teo amin’ny tratrany.

Tapa-bolana taty aoriana, ny roa tamin’ireo olon-dratsy namono nahafaty ity vazaha ity no voasambotry ny pôlisy tao amin’ny kartié iray teny an-toerana fantatra amin’ny anarana hoe « Cannibale », ny alarobia sy alakamisy teo, taorian’ny fikarohana sy ny fanadihadiana isan-karazany, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Raha tsiahivina ny zava-niseho : ny andron’ny 12 febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any, « lehilahy teratany vahiny nandeha an-tongotra, hamonjy fodiana no niharan ‘ny asa fanendahana. Nandritra ny fandalovany teo ambanin’ny fiangonana catholique no nisy lehilahy telo nanatona azy. Nataon ‘izy ireo anivo ary nambanana antsy. Niezaka nanohitra anefa ny tenany ka notrobaran’ireto jiolahy ny antsy teo amin ‘ ny tratrany. Lasa nandositra niaraka tamin ‘ny vola izy ireo taorian ‘izany ». Pôlisy nanao fisafoana tamin’izany toerana izany no nahatsikaritra ity olona ity efa nitolefika fotsiny tamin’ny tany, tao anaty rà mandriaka. Nezahina ny nitondra azy haingana tany amin’ny vonjitaitry ny hôpitaly saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Nanomboka teo no niditra an-tsehatra ny pôlisy, avy etsy amin’ny Anosy ao amin’ny sampana miady amin’ny heloka bevava sakelika fahadimy, nanao ny fanadihadiana sy ny famotorana ary fikarohana ireo nahavanon-doza. Io nivaly io ny fikarohana nataon’izy ireo ny alarobia sy alakamisy teo, ka nahasamborana ny roa tamin’ireto telolahy, ary efa natolotra ny Fampanoavana omaly. Ny fanintelony kosa dia mbola eo am-pikarohana azy fatratra ny pôlisy amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny vaovao azo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici