- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversCarion : Fitrandrahana ala tsy ara-dalana, olona telo nosamborin’ny zandary

Carion : Fitrandrahana ala tsy ara-dalana, olona telo nosamborin’ny zandary

Ireo mpibizina hazo tsy ara-dalàna.

Tsy afa-nihetsika intsony e ! Tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Carion, teo Morontsara ambany, teo amin’ny kaominina Nandihizana Carion, ny fiara iray, nitondra hazo kesika, mbola bolabola. Ny loza tao anatin’ny faritr’ala arovana ry zalahy ireto no naka izany hazo izany ary mitrandraka tsy amin’ahiahy. Heloka bevava eo anatrehan’ny lalàna anefa izany. Nosamborina avy hatrany ireo tao anaty fiara, olona telo. Noho ny fifanakalozam-baovao tamin’ny olona tsara sitra-po, hoy ny vaovao azo no nahafahana nanakana ireto mpitrandraka ala tsy ara-dalàna ireto. Mpanapaka sy mpangalatra hazo kesika ao anatin’ny faritr’ala arovana Angavokely, ao amin’iny kaominina Nandihizana iny ihany. Bolabolan-kazo, mirefy eo amin’ny roa metatra eo, miisa dimy no tratra nandritry ny fisavàna ny fiara, nentin’izy ireo nanao trafika. Ary taorian’ny fisavàna ny trano, rehefa nahazo fahazoan-dalana dia mbola nahitàna bolabolan-kazo miisa telo hafa ireo tompon’andraikitra. Teo no ho eo ihany dia nogiazana ny fiara nentin’izy ireo sy nitaterana ireto hazo ireto ary nentina natao famotorana ireo olona telo nosamborina ary notanana natao andrimaso. Marihana moa fa hiarahan’ny zandary avy ao Carion, sy ireo mpikaroka fandikan-dalana eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny tontolo iainana ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. « Heloka bevava ny fitrandrahana hazo tsy ara-dalàna anaty faritr’ala arovana. Mandray andraikitra feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Vondro-tobim-paritra Imerina Centrale, ka tafiditra indrindra amn’izany fiaraha-miasa amin’ireo vondron’olona ifotony ho fampiharana ny « Dinan’ny tontolo iainana » ao anatin’ny distrikan’i Manjakandriana sy Anjozorobe, ho fiarovana ny faritr’ala Complexe Anjozorobe – Angavo » araka ny fanazavana azo.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici