- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversCash point voaroba tetsy 67ha : MD avy hatrany ilay mpiasa, LP ireo...

Cash point voaroba tetsy 67ha : MD avy hatrany ilay mpiasa, LP ireo namany

Izy tenany ihany no niketrika tanteraka ny hangalarana ireo volan’ny mpampiasa azy tao amin’ity cash point niasàny, ary izy tenany ihany no nandratra ny tarehiny, nentiny nanamarina  fa hoe voaroba ny anao. Tra-tehaka anefa ny nafenina ! Taorian’ny fanolorana ireto olona voarohirohy tamin’ny fandrobana cash point iray teny amin’iny faritra 67ha iny dia fantatra araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena fa nampidirina am-ponja avy hatrany ilay mpiasa tao amin’ity toerana fandefasam-bola ity, izay tompon’antoka tamin’ny halatra tao. Tetsy andanin’izay dia nomen’ny fitsaràna fahafahana vonjimaika kosa ny namany, izay nanafenany ireo vola sy finday azo tao amin’ny toeram-piasàny.

Raha tsiahivina ny ny zava-nisy dia voalaza fa nitrangana fanafihana cashpoint teny amin’iny faritra 67ha iny ny voalohandohan’ny volana aprily teo. Araka ny voalazan’ny tovolahy iray, izay mpiasa tao amin’ity toerana ity dia hoe nitondra basy ireo voalaza fa nanafika azy ary tonga hatramin’ny fandratrana azy mihitsy. Tamin’ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana dia hita tokoa fa naratra teo amin’ny tarehiny ity tovolahy ity. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ny vola an-tapitrisany maro sy ny finday izay mbola nisy ambim-bola tao anatiny. Rehefa nataon’ireo tompon’andraikitra anefa ny famotorana dia fantatra fa tsy nisy akory ireo fanafihana io fa teti-dratsin’ilay mpiasa tao, hangalatra sy handroba ireo volabe teo am-pelan-tanany no nitranga. Rehefa natao famotorana ingahirainy dia niaiky soa aman-tsara fa tsy nisy izany fanafihana izany ary ny vola sy ny finday rehetra dia efa nafeniny tany amin’ny namany. Nosamborina ihany koa moa ity farany, ny alatsinainy teo. Samy natolotra ny Fampanoavana ny talata ary io namoaka ny fanampahan-keviny io ireo mpitsara mpanao famotorana,

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici