- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-Divers"Casseur de vitesse" : Nitera-doza sahady teo amin'ny rocade Tsarasaotra

« Casseur de vitesse » : Nitera-doza sahady teo amin’ny rocade Tsarasaotra

Efa fanintelony izay ny lahatsoratra an-gazety no nanaitra fa loza manambana io dongona entina mampihena hafainganam-pandeha eo amin’ny Rocade Tsarasaotra io. Afak’omaly dia fiara tsy mataho-dàlana iray no natsipiny ary simba tanteraka ny lohany. Niala kely teo indray dia nisy kamiao iray koa niharan’ny toa izany ary mbola noho ilay dongona hatrany. Lalam-be mikodàna misy « casseur de vitesse » : eto amintsika ihany no misy izany. Indrindra koa raha harivariva dia tsy hita intsony ny marika amin’ny tany kanefa tsy misy andrin-jiro manazava ireo dongona. Mila esorina faran’izay haingana satria loza manambana tanteraka ho an’ny mpampiasa làlana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici