Isan’ireo trano efa tranainy indrindra ao amin’ny CEG Soamalaza Antsenakely ity nihotsaka ity. Rava tanteraka ny ampahany amin’ny ilany atsimon’ilay trano lehibe.
Ny marainan’ny talata 2 janoary tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany no nanomboka nirodana ilay trano. Mbola tao amin’ny efitranony avokoa ny rehetra tamin’io ora io, ny ray aman-dreny voalaza fa teo am-parafara. Tsy nanampo ny tao an-trano fa avy hatrany dia nihotsaka ny rindrina, nanaraka ny valin-drihana ary nirodana ny tafo. Samy nanavotra aina ny rehetra, zaza menavava iray no voalaza fa tototra tao ambany biriky ka nifamonjena. Tsy naninona anefa io zaza io fa avotra soaman-tsara ihany rehefa nahazo ny fitsaboana teny amin’ny hopitaly ary efa nalefa nody, raha fitantaran’ny niharam-boina.
Raha ny angom-baovao teny an-toerana dia nanazava ny lehiben’ny fokontany Tsarasaotra misy ny CEG fa efa telo taona lasa izay no namoaka naoty ny kaominina fa tsy azo itoerana intsony io trano lehibe io satria efa misy 100 taona mahery, ary biriky tany no nanamboarana azy. Mbola nisy ihany anefa ireo mpiasa nonina tao hatramin’izay. Amin’ny ambony rihana no mipetraka ireo mpiasa maromaro ary efitra fianarana kosa ny ambany rihana sasany.
Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy, ny entana no tsy nisy noraisina intsony. Voatery nafindra amina efitrano fianarana ireo fianakaviana maromaro. Vonjy poritra ihany anefa izany satria ny 4 janoary izao no voalaza fa hidiran’ny mpianatra.
Andry N.