- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversCentre immatriculateur : Mpisoloky ho mahavita taratasy nosamborin’ny zandary

Centre immatriculateur : Mpisoloky ho mahavita taratasy nosamborin’ny zandary

Nanomboka tamin’ny zoma teo izy no notazomina ary ny zandary no nanantontosa an’izany. Niainga tamin’ny fitorian’olona nangalany vola ny raharaha. Milaza ny tenany fa mahavita izay taratasy rehetra ilaina eo anivon’ny « centre immatriculateur » etsy Ambohidahy. Isan’izany ny taratasy fahazoan-dàlana hitondra fiara, ny karatry ny fiara ary koa ny famindràna anaran’ny fiara. Dia nisy tokoa ny roboka tao anatin’izany lainga marivo tototra izany. Iaraha-mahalala rahateo ny fahasahiranana amin’ny fanamboarana taratsy eo anivon’io sampan-draharaha io, noho ny hamaroan’ny olona mihazakazaka hanara-dalàna ka hamita ny taratasim-piara ho « biométrique », ary torak’izany ihany koa ny « permis ». Nisy nahazoany hatramin’ny 500.000 ariary ireo olona nisolokiany. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia tsy nisy vita akory ny taratasy ary rehefa nanontaniana an’izany izy dia ny tenany indray no avo vava. Nahatohina ny olona izany ka tonga hatramin’ny fitoriana azy teo anivon’ny zandary tetsy Itaosy. Natao ny fisamborana ny zoma teo ary tamin’ny fisavàna ny tranony, taorian’izay, dia mbola nahitàna antontan-taratasy maro tao. Izany hoe, ireo olona izay efa nahazoany vola. Nilaza ilay mpisoloky, raha araka ny fitantaran’ny mpitory, fa mahafantatra olona ambony izy ka tsy matahotra fisamborana sy fitsaràna izany. Tsy naha-izy azy anefa ny fisamborana nataon’ny zandary ary koa ny fisavàna ny tranony. Anio no mety hiakatra fampanoavana ity raharaha ity raha toa ka efa nandalo avokoa ny mpitory azy. Raha ny fantatra mantsy dia olona maromaro no niharan’ny fisolokiana ary maromaro koa izany no tokony hitory. Saingy mbola misy tsy mahafantatra ny nahazoana azy aloha hatreto. Hainy rahateo hatrizay, ny miafina ireo olona nangalany vola ary koa ny mamaly amin’ny lainga ny antso an-telefaonina natao azy. Feno mpisoloky sy mpampiasa hosoka eto an-drenivohitra ary efa fantatr’ireo mpanao izany tsara ny sehatra manamora ny asaratsiny. Betsaka ny olona no roboka satria mafy loatra ny fiandrasana sy ny filaharana vao mahazo ny taratasy ilaina, ary sampan-draharam-panjakana maro no mampijaly toy izany. Dia io no hitadiavana olona izay « mahafantatra olona » matetika ary lasa toetra raiki-tampisaka amin’ny olona eto an-drenivohitra aza izany. Mbola lavitra ny ezaka raha tsy ireo sampana voakasika mihitsy no mametraka fangaraharahana sy lamin’asa afaka manome fahafaham-po ny olona, ny olona izay tsiahivina hatrany fa manakarama azy ireo avy amin’ny alàlan’ny hetra maro aloany…

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici