Nidina ny taham-pahafahana ho an’ny Sisco Toamasina I, raha ny navoakan’ny lehiben’ny Sisco I omaly. Raha ny tarehimarika nivoaka teo anivon’ny Sisco I, nahazo ny naoty tokony hahafahana ho an’ny CEPE Toamasina renivohitra dia 91,33% tamin’ity taona ity. Maro ny antony fidinanan’ny taha, saingy ny nambaran’ireo mpanabe dia nisy fiatraikany tamin’ireo mpianatra ilay rivodoza Gezani, ka iny fiatraikany iny mihitsy no tena olana mamaha izany ao an-dohan’ny mpianatra, na teo aza ny « cours maimaim-poana » nomen’ny fanjakana ho fanampiana ireo kilonga madinika. Ho an’ny Toamasina II ihany koa dia nidina ny tahan’ny fahafahana, izay tsy nisy afa-tsy 78,84% ; mitovy amin’ny Toamasina I ihany ny anton’ny fidinana. Ny tao amin’ny Sisco Vatomandry kosa dia nahita fiakarana 01% eo ny tahan’ny fahafahana, satria 86,51% tamin’ity taona ity, raha 85,64% izany ny taona lasa.
Malala Didier


