Tsy hilefitra amin’ireo fahavalom-bahoaka eto amin’ny tany sy ny firenena malagasy, manoloana ny asan-dahalo ato anatin’ny faritanin’i Mahajanga ny kaomandin’ny Faripiadidian’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Brigady FAHA Bienvenu. Ny marainan’ny alahady faha-10 may taona 2026 lasa teo iny, tokony ho tamin’ny 09 ora no namory ireo manamboninahitra zandary, ao anatin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka, Sofia, Boeny ny kaomandin’ny Faripiadidian’ny Zandarimariam-pirenena Mahajanga. Ny dinidika ambany tafon-trano, niarahan’izy ireo natao teto moa dia notanterahina tao amin’ny efitranom-pivorianan’ny » BPR Maevatanàna », mba hiadiana amin’ny tranga tsy fandriam-pahalemana rehetra, ka hahafahan’ireo vahoaka miaina am-pilaminana amin’ny asa andavan’andro iantsoroany no tanjona amin’izany. Tapaka nandritra ny fihaonana kosa, fa hamafisina hatrany ny fitandronana ny filaminana eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina, hisorohana mialoha ny mety hisian’ny asan-jioahy amin’ny alalan’ny sakan-dalana, ary tsy maintsy hofongorony ihany koa halatra omby sy ny fanafihan-dahalo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa hoentina mampahafantatra amin’ireo zandary sy ny lehiben’ny any amin’ny faritra Melaky ny paikady notapahina, tao anatinizao dinika izao, na dia tsy afaka nanatrika izany, noho ny halaviran-dàlana sy faharatsian-dàlana misy any an-toerana aza izy ireo.
Ratantely




