Efa vonona amin’ny fanadinam-panjakana ny eto Toamasina, araka nanambaran’ny lehiben’ny CISCO Toamasina I azy, na mbola tsy fantatra aza ny datim-panadinana nolazain’ny praiminisitra. Raha ny nambaran’ny lehiben’ny SISCO Toamasina I, dia miisa 7.431 ireo mpiadina amin’ny CEPE amin’ity taona ity, raha 6.357 kosa ny isan’ny mpiatrika ny fanadinana BEPC. Miisa 4.717 ireo mpiadina misafidy ny hanao fanatanjahantena hoy hatrany ny lehiben’ny SISCO Toamasina I. Raha efa nahavita ny fanadinana andrany avokoa ireo SISCO any amin’ny faritra hafa, dia ny alakamisy 16 jolay ho avy izao no hanao ny andrana fanadinana CEPE ny SISCO Toamasina I, izay ahitana ny sekoly tsy miankina sy ireo sekoly ara-panjakana. Ny teknisian’ ny SISCO Toamasina I no manamboatra ny laza adina, ka mifanaraka amin’ny fianarana vita sy izay hitranga amin’ny tena fanadinana CEPE ho avy no hitranga amin’izany. An-kilan’izany dia ny 03 aogositra ho avy izao no hanaovana ny adina ara-panatanjahantena ho an’i Toamasina I araka ny fandaminana. Ankoatra izany dia manainga ny sekoly rehetra ny lehiben’ny SISCO Toamasina I hanaraka ny toro marika, sy ny fandaminana mikasika ity fanadinana andrana hatao amin’ny fanadinana CEPE andrana ity.
Malala Didier