- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversCisco Toamasina I sy ny covid-19 : Nalefa niala sasatra mialoha ny mpianatra

Cisco Toamasina I sy ny covid-19 : Nalefa niala sasatra mialoha ny mpianatra

Nanapa-kevitra ny lehiben’ny Cisco Toamasina I, Atoa Marilahy Joseph, raha efa nifampihera tamin’ireo talen’ireo sekoly sy ny Dren atsinanana ary ny faritra atsinanana, fa mila alefa miala sasatra mialohan’ny fotoana ny mpianatra rehetra mba tsy hiparitahan’ny covid-19 eto Toamasina, izay efa betsaka ihany ireo mpianatra voa ankehitriny. Noraisina izao fepetra izao ny mba hisorohana ny tsy fahasalamana maro hita eny an-tsekoly izay mety hampikatso indrya ny taom-pianarana amin’ity taona ity eto Toamasina I. Mahatsapa ihany koa ny lehiben’ny Cisco Toamasina I, Atoa Marolahy Joseph, fa betsaka ireo mpampianatra no voan’ny coronavirus noho ny fifampikasohany amin’ny mpianatra maro izao, misy mihintsy ireo nanao fitiliana miabo izay efa nomen’izy ireo fialantsasatra 15 andro, ao anefa ireo ao anatin’ny fahasarotana izay efa nisy ilay namoy ny ainy mpampianatra taona faha-05 teo anivon’ny sekolin-dry masera « Saint Joseph de Cluny » Anjoma. Nanomboka ny zoma 26 marsa teo ny fialantsasatra mialohan’ny fotoana izany raha tokony ny herinandron’ny 29 marsa iny vao hisy izany raha ny fandaharam-potoana ofisialy, ka hatramin’ ny 13 avril izay haharitra 15 andro be izao. Ankilan’izany dia efa namoaka fanaphana rejionaly ny prefen’i Toamasina fa raha misy ny tranga hita amin’ny covid-19 eo sekoly iray dia mikatona 15 andro ilay sekoly ho fisorohana ny fiparitahany ; koa ho fisorohahna izay no anton’izao fialan-tsasatra mialoha ny fotoana ao anatin’ny fetin’ny Paska izao. Ankoatra izay dia voakasika izao avokoa ny sekoly rehetra eto Toamasina I, saingy efa lasa mialoha izany ireo sekoly katolika satria efa ny alarobia teo izy ireo no niditra tamin’ny fialan-tsasatry ny Paska noho ity valanaretina coronavirus mirongatra be eto Toamasina ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici