- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversCISCO Toamasina renivohitra : Simba ny biraony noho ity fiarabe nentin’olona mamo

CISCO Toamasina renivohitra : Simba ny biraony noho ity fiarabe nentin’olona mamo

Samy taitra ny rehetra raha tonga ny omaly maraina nahita ity lohana fiarabe nifatratra teo

amin’ny rindrin’ny biraon’ny CISCO Toamasina renivohitra, mifanandrify amin’ny

tranombarotra Score araben’ny fahaleovantena. Raha ny fanazavan’ilay mpanampy ny

mpamily izay voatery niandry ny fiara, fa ilay mpamily nitsoaka ny tompon’andraikitra, dia

mamo ilay mpamily nandritra ny fitondrany ilay fiara ka izao nifatratra tamin’ny rindrina

izao. Niteraka fahasimbana tamin’ilay rindrina mihitsy ny fandonany azy, satria misy lavaka

sy mitriatra mihitsy ilay rindrina voadona. Tsy nisy ny naratra na maty satria andro alina,

misasak’alina, no nitrangan’ilay loza, fa raha andro antoandro aloha dia maro ihany ny naratra, na ny maty; noho ity lalana ity be mpandeha an-tongotra. Raha ny alatsinainy maraina teo dia mbola nifampitadiavana ilay mpamilin’ny fiara, saingy nipoitra ihany izy ny farany satria fantatra ny momba ilay fiara tamin’ny alalan’ny nomenaony, na noesorin’izy ireo aza ny nomeraon’ilay fiara avy ao aoriana, fa teo aloha tsy hafany. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha fanimbana fotodrafitrasam-panjakana izao. Izay hiafara amin’ny fanamboarana ny zavatra simban’ity fiara vaventy ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici