- Publicité -
jeudi, septembre 10, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversCISCO Tsaratanàna : Hanao fitokonana faobe ny mpampianatra

CISCO Tsaratanàna : Hanao fitokonana faobe ny mpampianatra

Manoloana ny resaka fizarana taratasim-bola mirakitra fiantoham-panampiana, na  » Subvention  » enim-bolana ho an’ireo mpampianatra Fram, izay misy fitanilana ato anatin’ny Dren Betsiboka dia manambana ny hanao fitokonana iraisana ireo mpampianatra voakasika sy ny efa « fonctionnaire », any amin’ny CISCO Tsaratanàna, ho an’ny tapan’ny atsimo. Nanamafy hatrany moa ireto farany nandritra ny fampitam-baovao voaray fa misy fijerena faritra ny fizarana  » Subvention « , satria ny an’ny mpampianatra Fram rehetra amin’ny tapan’ny avaratran’i Tsaratanàna sy ato amin’ny CISCO Maevatanàna dia efa samy nivoaka avokoa. Noho izany dia hanakatona ny fampianarana ny fidirana amin’ny volana janoary taona 2026 izy ireo raha toa ka mbola tsy hita mivoaka izany, ho an’i Tsaratanàna tapan’ny atsimo.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici