- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-Divers« Cité du jardin du siècle » Bemasoandro : Toherin’ny mponina ny...

« Cité du jardin du siècle » Bemasoandro : Toherin’ny mponina ny fanorenana tsy manara-drafitra

Isan’ny fotodrafitrasa manome endrika ny kaominina Bemasoandro-Itaosy, distrikan’Antananarivo-Atsimondrano ny “Cité du jardín du siècle” izay miorina ao an-toerana. Indrisy anefa fa manomboka tsy voahaja intsony ny endrika nampiavaka izany toerana noho ny ataon’ireo olona sasany, izay vao tonga manorim-ponenana ao amin’io tanàna io. Araka ny fantatra, ny orinasa sinoa SOGECOA no nanangana ity cité ity tany am-piandohana. Ity orinasa ity no tompon’ny tany ka nametraka ny rafitra tsy maintsy arahin’ireo izay hanorina trano sy hipetraka eo amin’io faritra io. Isan’izany ny tsy maintsy hanajana ny filahatry ny trano (allignement) sy ny hanajariana faritra ho zaridaina manoloana ny trano mba hanomezana tontolo iainana mirindra sy mendrika izany atao hoe “cité” izany. Misy araka izany ny bokin’andraikitra na “cahier de charges” mirakitra izany fepetra izany ka tsy maintsy ataon’ireo mpangataka sonia. Tsy araka izany anefa ny zava-misy ankehitriny fa toa samy manao izay tiany sy metimety aminy ny sasany amin’ireo mponina eny. Ny tena loza ary mety hanakorontana tanteraka ny fiaraha-monina eo an-toerana dia ny mandre sy mahita fa ireo izay tena manara-dalàna indray no iharan’ny tsy rariny. Ohatra azo raisina amin’izany ny manjo ny Fianakaviana Rakotovao L. Teratany vahiny iray mifanila vodirindrina amin’io fiakaviana io no manao fanitarana ny tranony amin’ny fomba mifanohitra tanteraka amin’ny voalazan’ny bokin’andraikitra nifanarahana. Tsy vitan’ny hoe tsy najaina ny “allignement” satria narosony hatrany amin’ny tamboho eo anoloan’ny tanànany ilay fanitarana fa mbola nasiana rihana avo dia avo ilay trano nitarina.

Very zo tanteraka.Vokany, takona tanteraka ny tranon’ny Fianakavina Rakotovao L. Ity farany izay milaza fa tsy teto an-toerana fa tany ivelany raha nanomboka io fanitarana io ity teratany vahiny ity. Mahagaga ihany ny nahazoan’ity farany alalana nanao izao fanitarana izao, na ny “Permis d’extension” teo anivon’ny kaominina Bemasoandro, satria dia manana izany tokoa izy. Araka ny lalàna anefa, tokony nisy ny fifampiresahana teo amin’ny mpifanolo-bodirindrina sy ny fitsirihana ifotony ataon’ny kaominina vao azo atao izany. Noho io antony io dia nilaza fa nangata-panazavana tamin’ny Ben’ny tanànan’i Bemasoandro Rakotovao L. Nazava anefa ny valinteny nomen’ity tompon’andraikitra ity fa sarotra aminy ny hamoaka indray didy hampiatoana ny asa fanitarana ataon’ity teratany vahiny ity, satria efa nomeny alalana io. Ilay teratany vahiny koa moa etsy ankilany, minia manampin-tsofina tsy mety hifampiresaka mihitsy fa manohy hatrany ny asa efa natombony. Koa satria tsy hita mihitsy hatreto ny marina momba ity raharaha ity ary mahatsiaro ho very zo tanteraka ny Fianakaviana Rakotovao L, dia nilaza ho efa mitondra izany eny amin’ny Fitsarana ity raim-pianakaviana ity. Noho izany, manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra sy ny manam-pahefana voakasik’izao olana izao ny mpitory mba hijery akaiky izany.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici