- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversCité Valpinson Toamasina : Vehivavy 45 taona hita faty voakenda tao anaty...

Cité Valpinson Toamasina : Vehivavy 45 taona hita faty voakenda tao anaty tranon-dopy

Tranga efa mateti-pitranga eto Toamasina ny fahitana olona maty ao anaty tranon-dopy, saingy hatramin’izay dia lehilahy avokoa ny ankamaroan’ny hita faty. Hafa kely indray ity nitranga tao amina tranon-dopy iray ao amin’ny Cité Valpinson Toamasina ity omaly fiafaran’ny tolakandro. Vehivavy manam-bady aman-janaka roa eo amin’ny 45 taona eo no hitan’ny mpiasa tao amin’ity tranon-dopy ity maty tao amin’ny efitrano niarahany tamin’ny sakaizany. Raha ny fanazavana dia ny tolakandro ny alarobia teo dia nisy rangahy iray nitady tranon-dopy hofaina tao amin’ny Cité Valpinson ity, vao nahazo ny efitrano notadiviany izy dia niantso ny sakaizany tamin’ny finday ka tokony tamin’ny 03ora sy 15min no tonga ilay vehivavy nantsoiny. Avy hatrany dia niditra ny efitrano nofainy izy roa ka tamin’ny 03ora sy 50min dia nivoaka ilay rangahy ary naka ny bisikileta nentiny dia nandeha. Noho lasa anefa ilay rangahy dia nandodona tao amin’ilay efitrano nisy azy ireo ny mpikarakara ny tranon-dopy, hijery raha mbola misy olona tao no mihevitra ny hanadio ilay efitrano ihany koa. Raha nandondona tsy nisy namaly ireo mpiasa, avy hatrany dia niditra, saingy gaga satria vehivavy mivalampatra eo ambony fandriana miboridana no hitan’izy ireo,  mbola hita teo akaikin’ilay vehivavy kosa ny fanafody sohika “Salbutamol”. Narahana ny nalehan’ilay rangahy avy teo izay tsy nisy ny mombamomba azy koa anefa tao amin’ilay tranon-dopy, izay tsy hita ny nalehany. Raha nosavaina koa ny tao anatin’ny pôketran’ilay ramatoa, dia tsy nahitana na inona inona intsony ihany koa, na ny taratasy momba ilay ramatoa aza efa tsy hita intsony. Nantsoina noho izany ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo, ka nandritra ny fizahana, dia tsy nisy firaisana ara-nofo teo amin’izy roa ireto, fa tranga na vono olona tsotra izao no nisy satria nahitana rà ny vavan’ilay ramatoa ary nahitana faritra nokendaina ny tendany. Efa nalain’ny vady aman-janany teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be, ny alarobia hariva ihany ny fatin’ity ramatoa ity, ary ilay rangahy niaraka taminy kosa tsy hita popoka haramin’izao. Efa misokatra ny fanadihadiana, hoy ny mpitandro ny filaminana mikasika izao vono olona izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici