Folo tamin’ireo andian-jatovo, nanakorontana sy nanendaka ny harivan’ny alahady lasa teo, raha avy nirava avy tamina fampisehoana maimaimpoana tao Antsonjombe, no voasambotry ny pôlisy tetsy Analamahitsy. Nisy niaraka tamin’ny basy sy fitaovam-piadiana hafa mihitsy ireo andian-jatovo ireo raha ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana hatrany. Vao erotrerony avokoa ireto voasambotra ireto, satria dia manodidina ny 16 ka hatramin’ny 22 taona. Tamin’io fotoana io, dia samy jenjin-drongony sy zava-mahadomelina avokoa izy rehetra, raha ny vaovao hatrany. Antony iray nahatonga ireny karazana herisetra nihatra tamin’ny mpampiasa làlana ireny. Nambaran’ireo mpanao fanadihadiana fa, efa fomban-dry zalahy ireto mihitsy ity manakorontana sy ny manendaka ity, ary efa nivonona ny hanao izany tokoa izy ireo matoa efa nivatsy fitaovam-piadiana hatramin’ny basy tany am-balahany tany. Ny sasany amin’izy ireo aza moa, raha ny nambaran’ireo mponina dia tsy menatra mihitsy ny mifoka rongony eny imason’olona eny. Izy ireto, araka ny vaovao avy amin’ny pôlisy dia niaiky tanteraka fa isan’ireo mpanendaka sy mpampihorohoro eny amin’iny faritra iny. Tamin’io hariva io, nidina teny amin’iny faritra iny avy hatrany ny pôlisy raha vao nahare fa misy andian-jatovo migafy sy manimba zavatr’olona ary manendaka eny an-toerana ka izay no nahatrarana an’izy folo lahy ireto. Taxi-be, fiaran’olon-tsotra ary mpandeha an-tongotra tamin’io fotoana io dia samy tsy nisy afa-bela. Samy voaambana basy sy voaroba daholo. Efa fanaon-dry zalahy izany, ary tsy amin’ny fotoana toy ny tamin’io alahady io ihany fa, rehefa misy fitohanana dia miditra an-tsehatra izy ireo. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ary nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa ireto andian-jiolahy ireto.
m.L