- Publicité SW45 -
lundi, mai 13, 2024
AccueilFaits-Divers"Contravention" : Soratana amin'ny tànana

« Contravention » : Soratana amin’ny tànana

Toy ireny miverina amin’ny fahagolan-tany fony mbola tsy nisy ny trano printy. Taratasy fotsy no ampiasain’ny mpitandro ny filaminana sasany mba hanamarihana ny sazy ho an’ireo tsy manaraka ny lalàn’ny fifamoivoizana. Tsy misy fitomboka na ny anaran’ny naka ny taratasy akory ary manginy fotsiny ny soratra feno diso. Ny tena olana dia ny tsy fananan’ilay taratasy hery na amin’ny inona na inona, satria tsy taratasim-panjakana misy fitombokase ka ôfisialy. Dikan’izay, raha tsy tonga any amin’ny birao fandoavana ny sazy izany ny taratasy dia azo heverina fa naman’ny very ary tsy misy inona loatra azon’ny tompon’ny fiara na moto atao, satria azo raisina ho taratasy sandoka no azon’izy ireo. Mbola ezaka be indray ny fitoriana sy ny manaraka an’izay avy eo, na koa ny hitady ny tompon’andraikitra. Mampahazo vahana ny kolikoly izany, satria tsapan’ny olona ny mety ho fahasahiranana hanjo azy ireo, ka dia aleo…mametra kely. Raha natao ny fanadihadiana tsotsotra dia ny tsy fisian’ny vola hividianana taratasy no antony mahatonga ny olana. Raha tsy mamoaka am-paosy izany ny lehiben’ny sampana iray dia voatery mampiasa taratasy fotsy tsotra ny olony. Tranga izay tokony hojerena akaiky, satria miterana olana sy manaratsy endrika.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici