- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilCOVID-19Covid-19 - Fonjaben’i Toamasina : Noraisina ny fepetra tsy ahatongavan’ny aretina ao

Covid-19 – Fonjaben’i Toamasina : Noraisina ny fepetra tsy ahatongavan’ny aretina ao

Ny taon-dasa nandritra ny valaretina Covid-19 ampahany voalohany ireny dia isan’ny tratra ihany koa ny teo anivon’ny fonjaben’i Toamasina Ambalatavoahangy. Samy tratra avokoa nandritra izany na ireo voanfonja, na ireo mpandraharahan’ny fonja, saingy nisy ny fitsaboana natao ho an’ireo voa ka tsy nisy ny lavo nandritra izany.

Tamin’ity andiany faharoan`ny Covid-19 izay isian`ny “Variant” avy any afrika atsimo izay tena mahery vaika ity, dia maro ireo fepetra noraisin’ny talen’ny fandraharahana ny fonja Toamasina, Atoa Napou Jérémie, mba tsy ahatongavan’izany eo anivon’ny fonjaben’i Toamasina. Nambarany mantsy fa saika olona marefo avokoa ny ao, ka sahirana ihany ny fandraharahana ny fonja raha misy tranga hita amin’ity fonja ity. Isan’ireny ny famangiana ny voafonja izay tena tsy azo atao aloha amin’izao tranga-na aretina mahery vaika izao na dia zon’ireo voafonja aza ny ahazo izany. Eo koa ny fanaterana sakafo ho azy ireo, dia tena mila manaraka ny sakana ara-pahasalamana ireo manao izany; ary tsy azo ivezivezen’ny olona intsony ny manodidina sy manakaiky ny fonjan’i Toamasina Ambalatavoahangy izay an-tampon-tananan’i Toamasina mihintsy no misy azy. Noraisina ihany koa ny fepetra rehetra fa izay voafonja vaovao, indrindra fa ireo mahazo sazy mifonja vonjy maika amin’ny fitsarana, dia misy aloha ny fampitokana-monina azy ireo 15 andro amin’ny toerana “tsiambaratelo”, izay vao azo afangaro amin’ireo voafonja namany izy ireo.

Vokatr`ireo rehetra ireo dia tsy mbola nahitana tranga-na Covid-19 andiany faharoa ity na iray aza teo anivon’ny fonjaben’i Toamasina. Raha sendra misy izany dia tsy maintsy hisy avy hatrany ny fampitokana-monina izay tratra ary ny fampidirana azy ireo hopitaly ihany koa. Efa misy mpitsabo mpanara-maso ny voafonja eto Toamasina, ka raha misy ny tranga na dia  mampihaihay fotsiny aza dia efa raisina ny fepetra rehetra.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici