Raha sahirana amin’ny fitadiavana fanafody na fanefitra hiadiana amin’ny aretina COVID-19 ny fitondram-panjakana ankehitriny, dia manolo-tànana azy Atoa Romain Pierrot Delphin, zatovolahy roapolo taona mipetraka any amin’ny fokontany Ambodinivato distrikan’i Mahanoro.
Fibebahana sy fitondrana ny lokon’ny sainam-pirenena.
Ho an’ny kristiana dia tsy tongatonga ho azy izao areti-mandoza izao, fa vokatry ny fihodinantsika amin’Andriamanitra. Manoloana an’izany hoy ity tovolahy izay milaza fa irany ity, dia mila mibebaka ny Malagasy rehetra. N’iza n’iza. Nahazo iraka avy any an-danitra aho , hoy izy, ary mitohy foana izany hatramin’izao. Io fibebahana io dia tsy maintsy atao, ary hamafisiko amin’ny Filoha io. Kristiana loterana izy, ary vita batisa. Raha vao naharay an’ilay antso avy any an-danitra dia tsy nisalasala, fa dia nanatanteraka izany folo andro lasa izany ka nandeha kilaometatra an-jatony maro niala ny tanànany. Nivarotra vary telo gony izy hamatsiany ny diany ary niroso avy hatrany . Mofo gasy , mofo lava(mofo dipaina )no sakafony teny an-dàlana ary rano mangatsiaka sy limonady anglisy( bonbon anglais) no fisotrony . Tsy nahatsiaro harerahana mihitsy aho teny an-dàlana ,hoy izy, raha nitafa taminay teny Mahazo, ny Asabotsy hariva teo , niaraka tamin’ireo polisy mpandamina fifamoivoizana teny , satria hatramin’izao dia mbola manome hafatra ahy foana Andriamanitra. Ho antsika vahoaka Malagasy, dia mitondrà ny lokon’ny sainam-pirenentsika ireo isika ( fotsy, mena , maitso) fa tsy handaitra amintsika io valanaretina io . Ity tovolahy ity, dia manao T-shirt maitso sy kilaoty maitso ary anaty kitakokeliny fotsy , dia ahitana lamba firakotra fotsy sy kilaoty mena l
Mahalasa eritreritra ihany ity zavatra ataon’ity tovolahy ity izao, satria dia an-tongotra an-jatony kilaometatra no vitany, ary ny finoany dia matanjaka tokoa amin’ny tsy maintsy hihaonana amin’ny Filoha Andry Rajoelina mba ho fanampiana azy hiady amin’ny valanaretina COVID-19.
NARY RAVONJY.