- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilCOVID-19Covid-19: Hopitaly be Toamasina Enina sisa ny tranga manana fahasarotana

Covid-19: Hopitaly be Toamasina Enina sisa ny tranga manana fahasarotana

Ny alakamisy misandratr’andro teo no tonga teo anivon’ny hopitaly ben’i Toamasina ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka, ka nandritra izany no nanolorany kidoro 40 ho an’ireo marary, ary nankaherezany koa ireo mpitsabo indrindra fa ireo misahana ny Covid-19. Nisy koa ny fankasitrahany manokana ireo mpitsabo mpanampy nanolon-tena (bénévoles) amin’izany izay misahana ny Covid-19 eo anivon’ny CHU Analakininina.

Fantatra araka nambaran’ny profesora Jean De la Croix tale misahana ny CHU Analakininina na Hopitaly be Toamasina, fa tsy misy afa-tsy 6 raha ny alakamisy teo no resahana ny ao anatin’ny fahasarotana (cas grave) ho an’ireo olona voan’ny Covid-19. Teo aloha anefa raha ny nambaran’ny talen’ny CHU Analakininina hatrany dia efa nahatratra 27 ny nanana fahasarotana noraisin’izy ireo teo anivon’ny hopitaly. Maharaka tsara ny “Oxygène” amin’ireo olona manana fahasarotana mila izany, satria nisy ny fanampiana nataon’ny PNUD sy ny UNICEF. Nampanantena ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka fa mbola ho avy  ny “concentrateur d’oxygène”, ny “scoop de surveillence”, ary ireo “matelas chauffant” na kidoro manome hafanana. Ankoatra izany dia tsy nisy afa-tsy olona 50 sisa tsaboina eo anivon’ny CHU Analakininina na Hopitaly ben’i Toamasina ny alakamisy teo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici