- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversCybercriminalité : Misy mpanao facebook nampitandremina

Cybercriminalité : Misy mpanao facebook nampitandremina

Fampitandremana farany, hoy ny zandary omaly tamin’ny tambajotran-tserasera. Izany dia niantefa tamin’ny rangahy iray; izay mpiantsehatra ary manakiana mafy ny zava-misy ankehitriny. Notononin’ny zandary hatramin’ny andinin-dalàna izay azo anenjehana ara-pitsarana ilay olona aza raha toa ka mbola manohy manao ny ataony io farany. Isan’izany ny lalàna 2016-031 izay mifehy ny heloka atao amin’ny tranonkala, indrindra ny fanalam-baraka. Eo koa ny lalàna 2016-029 izay mifehy  ny serasera mahakasika ny haino aman-jery ary ao amin’ny andininy izay mahakasika ny fampitana vaovao tsy marina sy fandranitana fankahalana olona. Mbola nampiana koa farany ny fehezan-dalàna famaizana ao amin’ny andininy faha-91 izay mahakasika ny fikasan-dratsy ho an’ny filoham-pirenena na ny governemanta. Midika izany fa karazan-dalàna telo no indray ampiasain’ny sampana misahana ny heloka atao amin’ny tranonkala eto amintsika. Ny hany fanontaniana mipetraka amin’ny maro, dia ny hoe inona no idiran’ny 2016-029 na ny lalàna mifehy ny serasera an-gazety amin’ny cybercriminalité ? Sa efa azo tsinjaraina ho gazety na haino aman-jery koa izany ny facebook ary ny mpiantsehatra amin’izy ireny izany dia raisina ho toy ny mpanao gazety ? Mila jeren’ny tompon’andraikitra tsara ny famehezana ireo lalàna roa samihafa; izay sehatra roa samihafa tanteraka no tokony hampiasaina azy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici