Xavier Rakotoson ny anarana amin’ny kaonty facebook izay nampiasainy. Sarin’ny jeneraly maromaro izay nifandimby nitantana ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena no nampiasainy. Tsy vitan’izay fa nentiny nisolokiana izany. « Nitonona ho jeneraly Rakotoson Xavier izay miasa eo anivon’ny zandarimaria izy. Mampiresaka an’ireo tanora izy ary milaza fa afaka mampiditra azy ireo ho mpianatra zandary ary maka vola ho takalon’izany. Voalazan’ity mpisoloky fa tsy misy mpianatra intsony ao amin’ny sekolin’ny zandarimaria ao Ambositra ka ny Zzandarimariam-pirenena dia mitady mpianatra ho zandary haingana ary izany dia tsy mila mandalo fifaninanana fa mandoa vola fotsiny dia tafiditra » raha araka ny fanazavàn’ny sampan-draharahan’ny seraseran’ny zandarimaria. « Taorian’izay dia nisy tanora dimy mirahalahy roboka ary efa tonga tany Ambositra rehefa nomeny fiantsoana hosoka sy nahazoany vola. Teo no nanomboka ny fanadihadiana » raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany. Sampan-draharaha roa samihafa no indray nahetsika dia ny sampana miandraikitra ny heloka bevava sy ny sampana miady amin’ny heloka amin’ny aterineto, niara-niasa akaiky ny zandary tao Ambositra sy Antsiranana. Rehefa nandeha lalindalina ny fanadihadiana dia nivoaka ny anaran’i Nafeno Haja S. izay niafina tao ambadiky ny kaonty Xavier Rakotoson. Tovolahy 31 taona izy ary monina ao Antsiranana izay nisamborana azy ihany. « Fisolokiana (escroquerie), fisandohana andraikitra (usurpation d’identité et de fonction) sy fakàna vola tsy ara-drariny (extorsion de fonds) ary fampiasàna sy fitazomana fanamiana miaramila (détention et port illégal d’effets militaires) no iampangana azy », raha araka ny zandarimaria. Nidoboka am-ponja ny alatsinainy teo ity tovolahy ity sy ny fahasahiany.
D.R