- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversCybercriminalité : "Trading" sandoka, nisy nidoboka am-ponja

Cybercriminalité : « Trading » sandoka, nisy nidoboka am-ponja

Nanokatra resaka iombonana amin’ny facebook aloha izy ary nomeny anarana « business en ligne ». Nampidirany olona marobe tao anatiny ary io no nampiasainy ho fitaovana ara-tserasera ampahafantarana ny fampitomboam-bola (indrisy fa sandoka) izay narosony. « Eléan Fahad», «Eléan Bin Fahad», «Snakino Walkeen Te», ireo no anarana izay mazava hoazy fa sandoka nampiasainy hifandraisana amin’ireo olona izay ampiresahany ary hataony lasibatra avy eo. Dia betsaka tokoa ny roboka rehefa noreseny lahatra. « Toy izao ny fomba fiadiny : milaza ho mahay mampiasa vola amin’ny fividianana sy fivarotana vola vahiny an’habaka (vente et achat de devises en ligne na trading) izy ao anatin’io Groupe io. Hainy ny manao dokam-barotra manintona ao amin’io Groupe io sy eo amin’ny tambajotra Facebook. Milaza ihany koa izy fa mampianatra fandraharahana mikasika io sehatra io (formateur en trading) ho an’izay liana ary 70.000 ariary hatramin’ny 100.000 ariary ny saran’ny fampianarana, ary mampanantena izay olona mahavita ny fiofanana omeny dia ho afaka mampitombo ny vola ampiasany hatrany amin’ny 50%. Izay olona tsy te hanaraka fiofanana kosa nefa maniry hampitombo vola dia lazainy fa izy no hitantana ilay vola ary averiny renivola afaka telo volana sy miaraka amin’ny tombony 50% isam-bolana », raha araka ny fanazavan’ny zandary momba ny fanaon’ity mpisoloky ity. Notohizan’ny mpanao fanadihadiana fa : « Tsy miahotra mihaona mivantana amin’izay olona tiany hakàna vola izy mba tsy hampiahiahy io olona io. Matetika izy no mandray mivantana ny vola amin’izay olona hofitahiny. Mety aminy koa raha alefa aminy amin’ny «Mobile Banking» (mvola, airtel money, orange money) ny vola na avy hatrany dia alefa «Crypto Money» satria efa manana «portefeuille électronique» izy. Rehefa tafiditra «Mobile Banking» ilay vola dia alefany avadika ho devise ao amin’ny Facebook izy. Voavadika «monnaie cryptée» ilay vola dia arotsany ao amin’ny «portefeuille électronique» fampiasany avy eo izy miditra «meta traders» izay ahafahany misafidy ireo karazana «trading» azo hampiasam-bola ». Betsaka ny fitarainan’ny olona voaosoloky ary nanaovan’ny zandary velam-pandrika ny tompon’antoka ka voasambotra. Nidoboka rny Antanimora rehefa natolotra ny fampanoavana noho ny fisololokiana sy fivadiham-pitokisana. Nanentana ny zandary ny mba manadihady tsara ary mailo alohan’ny hidirana amin’itony « trading en ligne » itony. Tena misy izany any amin’ny firenen-kafa fa kosa mbola tsy voafaritry ny lalàna eto amintsika. « Ny zavatra matetika mitranga dia mody ampahazoany ny olona souscrits amin’ny voalohany ary rehefa mahazo tombony maro ilay mpisoloky dia manjavona tampoka ilay «site» ary very vola ireo olona souscrits ao », raha ny fanazavan’ny zandary. Ny tany mahantra no tena iroboroboan’izany ary mila hamailoana arak’izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici