- Publicité -
mercredi, septembre 16, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsCyclo-pousse Antsirabe : Efa-taona niaina tao anaty gaboraraka hoy ny PDS

Cyclo-pousse Antsirabe : Efa-taona niaina tao anaty gaboraraka hoy ny PDS

Ho hentitra ny sazy hiatra amin’ireo cyclo posy tsy manara dalàna. (Sary : Andry N)

Mitohy ny ezaka ataon’ny PDS an’Antsirabe sy ny ekipany amin’ny fameranana ireo zatra gaboraraka hanaraka ny ara-dalàna. Efa-taona niaina tao anaty gaboraraka ianareo hoy ny PDS Fidy Andriantomponera nandritra ny fihaonana natao tamin’ireo tompony sy mpitondra cyclo-pousse teto Antsirabe ny sabotsy 19 septambra 2026 teo, natao tao amin’ny kianjan’ny lisea André Resampa. Fotoana izao hieverenana amin’ny ara-dalàna sy hitondrana fanatsarana ho an’ny tananan’ Antsirabe. Ho hentitra izahay amin’ny isan’ny cyclo pousse miasa eto andrenivohitra satria miteraka fanakorotanana maro ny fisian’izy ireny maro be hoy ny tenany nanamafy.Nanomboka ny alatsinainy 14 septambra 2026 ny fanisana atao eny amin’ny sampandraharaha teknika na « vorie » izany ka ezahina ho 300 isa ny horaisina ny tapany maraina, toy izay koa ny tapany hariva, izany hoe manodidina ny 600 isa no horaisina.Mihoatra ny 10 000 ny isan’ny cyclo-pousse miasa eto Antsirabe raha ny antontanisa voaray, saingy ny antsasa-manila monja no misoratra anarana. Ankoatra izay, nanjaka ny ramatahora sy ny kiantranoantrano nandritra izay efa-taona izay, misy ireo cyclo-pousse no tsy azo kitihina mihitsy satria, na olon’ny fitondrana na mpitandro filaminana no tompony.Noferana ho 35000 Ar isan-taona kosa ny patanty aloan’ny cyclo-pousse iray isan-taona, namafisin’ny talem-paritry ny hetra eto Vakinankatra fa zara raha misy mandoa patanty ny tompon’ny cyclo pousse eto Antsirabe nandritra ny efa-taona teo.Tokony ho feno ny fepetra takiana vao afaka misa ny cyclo-pousse, isan’izany ny fananana « carte grise » ara-dalàna, ny patanty, ny vignette sy antontan-taratasy ilaina rehetra. Olona iray ihany no hanasonia ny « carte grise » manomboka izao hialana amin’ny  hosoka no anton’izany hoy ny PDS. Aorian’ny fanentanana sy ny fe-potoana izay efa napetraka dia ho hentitra ny fampiharana ny lalàna ary tsy hisy ny fandeferana hoy ny teo anivon’ny fiadidiana ny tanan’Antsirabe.

Andry N.

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici