- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversDahery, mpanao « bras de fer » : Voasambotry ny pôlisy ireo...

Dahery, mpanao « bras de fer » : Voasambotry ny pôlisy ireo dimy lahy namono nahafaty azy

Ny herinandro lasa teo no voasambotry ny pôlisy ny dimy lahy, isan’ireo nandray anjara tamin’ny famonoana nahafaty an’i Dahery, ilay mpanao “bras de fer”, teny Namontana. Avy hatrany dia nalefa teny Tsiafahy avokoa izy dimy lahy, izay tsy iza fa naman’ny maty ihany rehefa natolotra ny Fampanoavana omaly. Raha tsiahivina dia 29 mey lasa teo no nitranga ity famonoana ho faty ity, rehefa nirevirevy tao amina trano fisotroana teny an-toerana ry Dahery sy ny namany. Nifamaly sy  niafara tamin’ny ady tamina andian-jatovo niara-nisotro tao amin’ity toerana ity izy dimy lahy tamin’io fotoana io. Tafavoaka mihitsy ary nifanenjika izy ireo avy eo. Nony tafaverina avy tany amin’ny nalehany tany anefa izy dimy lahy dia tany amin’i Dahery indray izy ireo no namatratra ny hatezerany. Niakatra ny fifamaliana ka niaraka tamin’ny fikasihan-tanana sy ny tsindrona antsy teny amin’ny tratran’ity tovolahy ary nitarika ny fahatesany. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana ka voasambotra tamin’izany ny lehilahy roa, teny Namontana ihany ny alarobia lasa teo. Ireto indray avy eo no nanoro ny namany telo hafa, izay nosamborina teny an-toerana sy tany Anjiro ny alakamisy. Samy niaiky avokoa izy dimy lahy ireto fa namono nahafaty ity mpanao “bras de fer” ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici