Fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny kalach sy Mas 36, ary grenady, izay marihana fa fitaovam-panjakana, saika fitaovam-piadiana hampiasain’ ireo mpitandro filaminana avokoa no azo teny am-pelatanan’ireo ekipan’i Del kely, raha ny fanazavàna nomen’ny tompon’andraikitra voalohany eto anivon’ny Fari-piadidian’ny zandary eto Antananarivo, nandritry ny valan-dresaka nataony ho an’ny mpanao gazety omaly tetsy Ankadilalana.
Nanao ny tatitra vitsivitsy mahakasika ireo hetsika manokana nataon’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny zandary, misahana an’Antananarivo, omaly. Hetsika izay marihana fa nitondra nankany amin’ny fahazoana an’i Del Kely, ilay dahalo raindahiny, nampitondra takaitra olona maro tamin’ny fakàna an-keriny. Ity farany izay efa namoy ny ainy, taorian’ny tifitra nahazo azy moa. I Del kely no maty fa ireo forongony sy ireo rantsa-mangaikany, mbola miriaria any ary adidinay no mbola mamongotra azy ireny hatramin’ny farany, hoy ny Jly Andry Rakotondrazaka, Kaomandin’ny CIRGN Tana. Mbola tsy tapitra hatreo amin’ny fahafatesan’ingahy Del kely tokoa ny tantara araka izany. Taorian’iny tranga iny mantsy dia mbola nitohy hatrany ny hazalambo natao, hisamborana ireo namany sy forongony. Fantatra ary fa ankoatr’ireo 14 efa voasambotra tany aloha ary efa saika naiditra am-ponja avy hatrany eny Tsiafahy ny ankabeazany, dia mbola nisy olona 16 hafa indray, miandahy miambavy, voasambotra. Ireto farany dia voalaza fa isan’ireo mpiray tsikombakomba, mpanampy, mpanoro lalana ary mpandray anjara mivantana tamin’ireo fakàna an-keriny isan-karazany. Marihana fa tsy nijanona tao Anjozorobe ihany ny hetsika fa nipàka hatrany amin’ireo faritra manodidina, toy ny tany Alaotra Mangoro, Betsiboka, ary tonga hatrany Bongolava aza, raha ny fanazavana azo hatrany. Nandritra ireo hetsika ireo moa no nahatratrarana ihany koa ireo fitaovam-piadiana maro isan-karazany, izay mbola hanaovana fanadihadiana manokana indray ny nahatonga azy ireo teny am-pelatanan’ireo dahalo.
m.L