Vita ny fandevenana an’i Tojo, ilay tovolahy izay maty nofaohin’ny fiara teo Amoronankona. Nentina teny amin’ny fasany ny kodiaran-droa izay tena tiany ary novelomina mba ho fanomezam-boninahitra azy farany. Namerina nanao antso avo ny fianakaviany ny mba ho fiaraha-mientan’ny olona amin’ny fanomezam-baovao azy ireo momba izay mpamily nahavanon-doza. Raha hiverenana kely dia nitsoaka niaraka tamin’ny fiarakodiany ny mpamily nahafaty an’i Tojo. Mandeha ny fikarohana rehetra saingy mila fantatra aloha ny momba ny fiara sy ny laharana izay vao mizotra any amin’ny fahazoana ny mpamily. Mety manampy betsaka ny fisian’ny vavolombelona sy ny « caméra de surveillance ». Mila fanampian’izay mety ho manam-baovao araka izany.
D.R




