- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-Divers« Dengue » : Miaramila zazavao no isan’ny voa ao Mahajanga

« Dengue » : Miaramila zazavao no isan’ny voa ao Mahajanga

Vao naheno ireo tatitra mahakasika ny zava-misy eto Mahajanga ny fitondra-panjakana dia naniraka ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta nosoloin’ny ministry ny raharaham-bahiny sy ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony tena, nijery ny tranga misy eto an-toerana. Namory ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany, nanadihady ireo hetsika efa natao sy ireo izay tokony mbola hotanterahina. Avy hatrany dia nidina ifotony nijery ireo tranga nisy teny anivon’ny fokontany ireo delegasionina. Nitsidika tokantrano vitsivitsy ahitana olona voan’io aretina io. Isan’izany ny teny amin’ny toby miarala fahefatra teny Androva. Miaramila zazavao maromaro no tratran’io aretina io tao an-toerana. Soa fa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa ka ny iray sisa no mbola arahimaso akaiky. Toraka izay koa ny tranga nisy teny amin’ny fokontany Antanimalandy, fianakaviana iray manontolo no samy tratran’ilay aretina. Nampahery azy ireo teny ary nitondra fanampiana ho an’ireto farany ireo mambra ao amin’ny governemanta sy ireo olomboafidy teto an-toerana. Nojerana manokana ihany koa ny teny amin’ny hopitaly “Candide” Antanimasaja. Teny mantsy raha ny nambara no tena nahitana ny tranga tamin’ny alalan’ny ftiliana izay nalefa tany amin’ny institut Pasteur. Efa samy nody any amin’ny tokontrano misy azy avokoa anefa ireo olona satria nahazo ny fitsabona sahaza azy daholo. Manoloana ny zava-misy, nanao antso avo ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany ny amin’ny tokony hitandreman’ny rehetra satria aretina mety hahafaty io aretina io raha toa ka tsy voatsabo araka ny tokony ho izy. Ilaina ny fitandremana fa indrindra ny fitandroana ny fahadiovana. Atsy ho atsy hisy fanadiovana faobe hotanterahina eto Mahajanga ary tsy maintsy manatanteraka izany ny isan-tokantrano, hoy ny prefet eto Mahajanga, mialoha an’ilay famendrahana ranom-panafody hataon’ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny tanàna. Ilay moka antsoina hoe Aedes Aegypti no mitondra io tsimokaretina io. Tsy amin’ny andro alina araka ny fiheveran’ny maro ihany izy no hita, fa na amin’ny andro antoandro ko aza dia mety hita eny rehetra eny. Noho io, tokony hitandrina hatrany ny tsirairay satria mifindra amin’ny alalan’ny kakitry ny moka ihany io aretina io. Raha toa ka misy ny tranga mampiahiahy ka miseho ireto fambara ireto, mafana hoditra, mangotsoka ny vanintaolana, marary andoha, mando, fanina dia manatona mpitsabo no vahaolana akaiky indrindra. Tsy tokony hanao dokotera tena satria maimaimpoana mantsy ny fitsaboana rehetra raha ny fanambarana nataon’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Hatreto tsy mbola nisy aloha ny matin’ity aretina ity eto Mahajanga, hoy hatrany izy ireo.

Tantely Vandriam

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici