- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversDepiote Ramims : Vonona hiaraka hiasa amin’ny ara-drariny

Depiote Ramims : Vonona hiaraka hiasa amin’ny ara-drariny

Niseho vahoaka voalohany tao amin’ny distrika Ambatolampy izay nahalany azy  Rakotomalala Miarintsoa na fantatry ny maro hoe RaMims. Feno hipoka ny kianja monisipaly Ambatolampy toerana  nanaovana ny hetsika ny Alahady 7 Jolay lasa teo. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ireo minisitra zanak’Ambatolampy sy ireo tomponandraiki-panjakana terak’Ambatolampy, isan’izany ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Ankoatra izay tonga nanonotra ny namany ihany koa ny solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy tao Ampanihy, Nosibean’ala, Farafangana ary i Tsiliva voafidy tao Morondava no sady nanafana ny fotoana ihany koa. Notsipihan’ny solombavambahoaka RaMims fa tombony lehibe ho azy ny fahatanorany satria misy hazakazaka mila enjehina  anaty fotoana fohy ny  fampandrosana ka ny tanora no manana hery sy tanjaka amin’izany, ohatra noraisiny ny filoham-pirenena.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici