- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversDepiote Soalala : Nisy nifofo ny ainy tao Mahajanga

Depiote Soalala : Nisy nifofo ny ainy tao Mahajanga

Nitam-basy ireo jiolahy ireo. Lehilahy miisa roa mainty fiodirana niaraka tamin’ny fiara miloko mena. Avy nanao fandaharana tao amin’ny fahitalavitra viva Mahajanga no efa nandrasan’ireo jiolahy ireo teny amin’ny manodidina ny solombavambahoaka Said Zakaniaina Mahafaly Joseph. Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany atoandro teo ny andron’ny Alahady 28 jolay. Efa nahatsikaritra ny fihetsika hafahafan’ireto farany ny mpiambin’ilay fahitalavitra sy ny olona iray izay niandry ny fiaran’ilay solombavambahoaka. Avy atrany dia nifanenjehana saingy tafatsoaka izy ireo. Teny amin’ny faritry ny fiangonana ziona vaovao Tsaramandroso Ambony teny no nijanona ireo jiolahy roa tsy nisaron-tava nanakana ny fiaran’ilay solombavambahoaka no nanambana basy hitifitra azy. Noho io, teo vao niantso mpitandro ny filaminana hanampy azy izy. Minitra maromaro taorin’izay no tonga ireo polisy saingy efa tafatsoaka tsy hita itsony ireo jiolahy rehefa tsy afa-nanaraka azy ireo ilay solombavambahoaka sy ny mpamiliny.
Tranga tsy vao izao fa efa niverimberina ny fandrahoanana nahazo io solombavambahoaka voafidy tao Soalala io. Tamin’ity indray mitoraka ity no efa saika niatra aman’aina mihitsy. Efa nandefasana antso in-betsaka aho hoy izy ary efa misy mandefa hafatra amin’ny finday matetika manao fandrahoanana ho faty. Mandry tsy lavo loha ankehitriny io solombavamahoaka io sy ny fianakaviny manoloana izao tranga izao. Manao antso avo izy ireo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba handray ireo fepetra hentitra manoloana izao tsy fandriampahalemana mety hiafara amin’ny fifofohana ny ain’ny hafa izao. Ny ampitson’io ihany moa dia nametraka fitoriana teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany teto Mahajanga io solombavambahoaka io. Efa mandeha ny fikarohana ankehitriny. Tsy mbola voafaritra mazava, atramin’ny eto aloha, no tena antony anenjehana an’ny solombavambahoaka Said Zakaniaina Mahafaly Joseph. Andrasana izay ho tohiny…
Tantely Vandriam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici