- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversDGSR : Hanatanteraka hetsika faran’ny taona hieren-doza

DGSR : Hanatanteraka hetsika faran’ny taona hieren-doza

Amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao, hanatanteraka hetsika fitsirihana ara-teknika manerana ny Nosy ireo fiara mifamoivoy an-dalambe mandritra ny 23 andro ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR). Efa nanomboka ny 15 desambra lasa teo izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 8 janoary 2023. Amin’ny alalan’ireo sampan-draharaha misahana ny hetsika sy fitsirihana ara-tekinika an-dalambe sy ireo ivontoerana fitsarana fiarakodia manerana ny Nosy no hanaovana izany hetsika izany. Manentana ireo mpamily rehetra sy ny mampiasa fiara ny DGSR amin’ny fanarahan-dalàna. « Fanamafisana ny fitilina ara-teknika sy fanentanana ireo mpamily sy ny mpandeha amin’ireo fiara mpitatitra miainga amin’ny toby fiantsonana rehetra manerana ny Nosy ihany koa izao. Fampanarahan-dalàna sy fisorohana mialoha ny lozam-pifamoivoizana niseholany tato ho ato, ary fiarovana ireo rehetra mampiasa lalana », hoy ny fanazavan’ny talen’ny sampan-daharaha misahana ny fifamovoizana, ny kolonely Ranedson Gélin. Maro ireo fianakaviana handeha taksiborosy hisintaka sy hivoaka ny renivohitra amin’ny ankatoky ny fety izao sy ny fiandohan’ny taona vaovao, ka hisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Ankoatra izany, hisy ny fitsirahana tampoka eny an-dalambe sy hanaraha-maso ireo fandikan-dalàna, toy ny fandehanana mafy, ny vesatry ny haavon’ny entana entin’ny taksibrosy, ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny antsoina hoe « dona miverina » izay fanaon’ireo saofera taksiborosy. Hojerena ihany koa ireo fiara mamoaka setroka be loatra, ireo « tricycles » izay tsikaritry ny DGSR fa mihamaro ny mampiasa azy mitatitra olona ivelan’ny renivohitra. Hosavaina ihany koa ireo fiara mitondra ny laharana vahiny sy WWT, ary ny fampiasana ny jiro LED, ny fampiasana ny fitaratra matroka misy « pellicules ». « Miara miasa ny zandary sy ny polisy ary ny ATT amin’ny fanatanterahana ireo asa ireo, ary tsy hisy ny fandeferana amin’ireo fiara tsy manara-dalàna », hoy ny fanamafisana avy amin’ny DGSR.

Yv Sam

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici