- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Dian-tongotra biby mampiteraka sahotaka

Alasora : Dian-tongotra biby mampiteraka sahotaka

Nisy sary azon’ny mponina teny an-toerana. Izany dia sary dian-tongotra biby misy hoho lava telo. Vetivety dia nampisahotaka ny sain’ny olona ny zava-nisy, indrindra raha nisy nilaza fa maty ny akoho amam-borona sy ny biby fiompy hafa toy ny alika. Toa vao mainka nanamarina izany ny fidinan’ny mpiasam-panjakana ambony iray teny an-toerana, amin’ny maha-olon-tsotra azy, ary niara-nanamarina tamin’ny olona. Raha noheverina fa tsaho ny zava-nisy dia mainka koa toa nohamafisin’io olom-panjakana io. Samy manana ny filazany ny rehetra manoloana ny tranga. Ao no milaza fa ireny fosa ireny no mety ho mivezivezy ao an-tanàna. Izany anefa dia bibidia tsy fahita ety an-drenovohitra no koa efa mitady ho lany tamingana. Ho an’ny mpitantana ny tanàna indray dia tsy mitombina velively ny fisian’ny biby fa entina hanakorontanana saim-bahoaka fotsiny izany. Tsy voatery ho marina hatrany izay lazain’olona, eny fa na dia olom-panjakana aza, raha ny fanazavana avy amin’ity manam-pahefana ity. Ny azo heverina ho vahaolana izany dia ny fidinana an-tsehatry ny teknisiana ary manamarina tanteraka ny tena zava-misy mba hampilamina ny sain’ny olona. Dieny mbola tsy voafara ny dian-tongotra izay mety ho porofo dia tokony halefa ny fanadihadiana. Raha dian-tongotra napetrapetraka entina hanakorontanan sain’olona no valiny dia mendrika hosamborina izay tompon’antoka amin’izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici