- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversDiégo : Fatin-jaza efa potika nariana tao anaty tatatra

Diégo : Fatin-jaza efa potika nariana tao anaty tatatra

Teo akaikin’ny toeram-pampianarana iray no nahitàna ilay razana efa simba. Efa noviravirain’ny alika izany no hitan’ny olona. Tao anaty tatatra, teo amin’ny fokontanin’Ambohimitsinjo, no naheno fofona maimbo ny olona. Rehefa nozohina dia fatin-jazalahikely manodidina ny valo taona eo. Heverina ho novonoina tany an-kafa dia nariana teo amin’ilay toerana ity zazalahy ity. Nitangorona ny olona raha nahita an’izany sady nalahelo noho ny zava-nitranga. Naira-nisalahy nampandre ny mpitandro ny filaminana ary nitady lamba fotsy nanaronana ny razana. Raha ny fijerin’ny mpitsabo izay nijery ifotony dia tokony ho efa telo na efatra andro teo no namoanoana ity zaza ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici