Miferina aina tanteraka ireo mpampiasa làlana. Ireo mpitondra kodiaran-droa no tena manahy ny ainy. Ny antony dia ny fisian’ny olona mitoraka amin’ny vato na biriky ireo izay mandalo eo amin’ilay toerana. Vaky loha farafahakeliny raha manao aroloha. Raha tsy mampiasa izany dia mety manaraka hatramin’ny aina. Olona maromaro no nahatsikaritra izany ary velon-taraina tamin’ireo miaramila miambina biraom-panjakana eo amin’ny manodidina. Nosafoina ny toerana fa mbola tsy hita aloha ny mpanao ratsy. Alohan’ny hahatongavana eo anoloan’ny sampanan’Ambohitrimanjaka iny no tena hisian’ilay gafy. Mety tsy ho gafy koa anefa fa fikasàna ny haka ny moto ampiasain’olona. Manakaiky kokoa ny marina io faharoa io, satria efa matetika nitrangan’ny fanafihana moto iny toerana iny. Mitovitovy amin’izany ny fanaon’ireo mpanao ratsy, ankoatra ny fametrahana sakana. Nanaovan’ny mpitandro ny filaminana bemidina teny an-toerana ary voaverina ny fandriam-pahalemana. Izao anefa dia miverina indray izany ary tsy alim-be akory aza fa vao mody masoandro fotsiny. Mbola betsaka fiara sy moto mifamoivoy eny amin’ny arabe dia efa mivoaka sahady ny mpanao ratsy. Soa fa mba tsy nahavoa olona ireo toraka tamin’iny harivan’ny alatsinainy teo iny, teny amin’ny Digue Ambohitrimanjaka.
D.R




