- Publicité SW45 -
samedi, novembre 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversDinika momba ny fiovaovan’ny toetrandro : Natao teto Toamasina niarahana tamin’ny « STIMSON Center »

Dinika momba ny fiovaovan’ny toetrandro : Natao teto Toamasina niarahana tamin’ny « STIMSON Center »

Natao teto Toamasina, tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “le Neptune”, ny atrikasa momba ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro amorontsiraka teto amintsika, izay nandraisan’ny fanjakana malagasy anjara tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny jono sy toekarena manga, Atoa Rabary Andriantsilavo, talen’ny toekarena manga, sy ny “Stimson center” Rtoa Sally Yozell talen’ny fandaharanasa fiarovana ara-tontolo iainana, ary ny Westren Indian Ocean Research Association. Tetikasa “CORVI” ity atao eto Madagasikara ity, izay nanomboka ny 03 aogositra teo, ka nandraisan’ireo mpisehatra tratra antso momba izany fiovaovan’ny toetrandro izany teto Toamasina anjara. Isan’ny nandray anjara tamin’ny atrikasa ny mpandraharaha teto an-toerana, teo koa ireo oniversitera, ny governemanta, ary ireo fiarahamonim-pirenena. Nambaran’ny mpikarakara ity atrikasa ity tamin’ny alalan-dRtoa Sally Yozell, tale misahana ny fiarovana ara-tontolo iainana eo anivon’ny Stimson center, fa raha vao vita ny atrikasa dia tsy miantsy misy ny asa mivaingana vita afaka 09 na 12 volana eo amin’io fiovaovan’ny toetrandro io eto Madagasikara, sy ny manodidina azy amin’ny alalan’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena. Voalaza mantsy fa tena miantraika amin’ny tanànan’i Toamasina ny fiovaovan’ny toetrandro ka mahatonga fatiantoka ara-toekarana goavana ho an’i Madagasikara, amin’ny maha avokavoka azy. Araka ny fantatra dia tao anatin’ny 30 taona nisiany, ny fandaharanasa “Stimson center” dia lohalaharana foana tamin’ireo sehatra iraisam-pirenena, ka ankehitriny dia lalam-baovao no arahina amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, mba hisian’ny tany tan-dalàna iraisam-pirenena amin’ny fiantraikany ratsy amin’ny vahoaka.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici