- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversDisitrikan’i Kandreho : Vita soa-amantsara ny tetikasa

Disitrikan’i Kandreho : Vita soa-amantsara ny tetikasa

Mivoatse andiany fahafetra tato anatin’ny faritra Betsiboka. Ilaina ny fanamafisana fahaiza-mitantana eny ifotony. Miompana amin’ny fampiofanana ireo tompon’andraikitra eny anivon’ireo kaominina tsirairay avy, arak’izany ny tetikasa Mivoatse iarahana amin’ny Minisitera maro samy hafa, izay notarihin’ny fitaleavana misahana ny fifandraisana amin’ireo vondrom-bahoka itsinjaram-pahefana sy ireo olom-boafidy ao amin’ny fiadidian’ny Repoblika, ka ny Alatsinainy heriny lasa teo iny ny fanohizana ny Tetikasa MIVOATSE andiany fahafetra, tany amin’ny renivohitry ny kaominina Kandreho. Anisan’ny fanamby napetraky ny hampiaharana ny fitsinjaram-pahefana mba hisian’ny fampandroasoana miainga eny ifotony no miainga eny anivon’ny kaominina tsirairay. Disitrika fahatelo nanatontosana ny tetikasa Mivoatse ato anatin’ny faritra Betsiboka i Kandreho no sady nisitrak’izany tao amin’ny tranom-pokon’olona ireo ben’ny tanàna niisa fito sy ny mpiara-miasa, ary ny Chef D’arrondissements any amin’ny disitrikan’i Kandreho iny. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa nahazo nanatrika ny fampiofanana nandritra ny telo andro ny olona rehetra tany an-toerana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici